Lalam-pirenena : havaozina ny fitantanana hahafahana manatsara ny fikojakojana

0

Misy fanovana napetraka ho fitantanana ny lalam-pirenena manomboka izao ahafahana mampitombo ny vola hatokana amin’ny fikojakojana izany hoy ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Tsy maintsy hirosoana ihany koa ny fanatanterahana ny Auto Route mampifandray an’Antananarivo Toamasina.