Fanaovana lalàmpifidianana : arirariran’ny mpitondra

0

14 andro aty aorian’ny nanokafana ny fivoriana faharoa ara-potoan’ny Antenimierampirenena dia mbola tsy tonga eny Tsimbazaza ny volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana filohampirenena amin’ny taona 2018. 13 volana anefa sisa ny fotoam-piasan’ny Filohampirenena ankehitriny araka ny lalàmpanorenana. Misy antony ve no tsy maharototra ny mpitondra hanolotra io volavolan-dalàna io ?