Lalàna mifehy ny fifidianana : mampiahiahy hoy ny Ilontsera

0

Ankoatr’ireo fiarahamonim-pirenena maro, naneho ny heviny ihany koa ny Ilontsera mikasika ny lalàna mifehy ny fifidianana. Ilaina hoy izy ireo ny fanitsiana andini-dalàna maromaro ao anatin’izay lalàna mifehy ny fifidianana izay fa maro amin’izy ireo no tsy mazava sy mampiahiahy.