LFI 2018 : adiny iray monja dia lany

0

Ora iray latsaka monja no nandanian’ireo solombavambahoaka miisa 75 ny volavolan-dalàna hifehy ny fitantanam-bolam-panjakana amin’ny taona 2018 omaly atoandro teny Tsimbazaza. Tsy nisy ny adi-hevitra sy fandraisam-pitenenan’ireo solombavambahoaka fa avy hatrany dia tsangan-tanana.