Accueil Economie « Logistique pétrolière » : miroso ny fanamboarana ny toerana hamindrana azy eny Bongatsara

« Logistique pétrolière » : miroso ny fanamboarana ny toerana hamindrana azy eny Bongatsara

0
« Logistique pétrolière » : miroso ny fanamboarana ny toerana hamindrana azy eny Bongatsara

Miditra amin’ny fanaovana ny terrassement amin’izao fotoana izao ny orinasa Colas misahana ny asa fametrahana ny  logistique pétrolière eny Bongatsara. Aorian’ny fahavitan’ny asa  no hanomboka ny famindrana ny toby fametrahana solika  eo Alarobia ho eny amin’io toerana io. Dingana narahina izany, entina hirosoana amin’ny ho fanamboarana ny lalana miainga eo Marais Masay mihazo ny Gare Maki, fa ihany koa, ho vahaolana manoloana ny fitomboan’ny tinady ny solika eto amintsika.