Mahajanga : nohamafisina ireo fepetra hiadiana amin’ny Covid-19

0

Mikatona tanteraka ny fitateram-bahoaka mampifandray an’i Mahajanga amin’ireo distrika manodidina rehetra maniomboka ny andron’ny rahampitso Alakamasiy araka ny fanapahan-kevitry ny CRCO Boeny. Ferana amin’ny 1 ora tolakandro kosa ny fisokafan’ny toeram-pivarotana rehetra ho fisorohana ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus izay nahazo laka any Mahajanga amin’ijzao fotoana izao.