Mitaky ny fanafoanana ilay didim-pitsarana nivoaka nanagadra ny loholona Lylyson René de Roland ny vondrona MAPAR. Manameloka tanteraka ny namoahana iny didim-pitsarana iny ny vondrona ary manambara fa tsy hitondra fitoniana ara-politika eto amin’ny tany sy ny firenena izany.