Nohalalinina be be kokoa ny Bassin Marais Masay, entina hisorohana ny mety ho fiakaran’ny rano rehefa fotoam-pahavaratra. Androany nisy ny fidinana ifotony sy ny fanolorana izany, notontosain’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Ben’ny tanàna, governoran’Analamanga ary ireo mpiara-miombon’antoka. Raha ny fanazavana, mbola misy ny fotodrafitrasa atao hisorohana ny fiakaran’ny rano izay.