Masoivohon’ny Repoblikan’i Corée : nanatitra ny taratasy manendry azy teny Iavoloha

0

Tonga nanatitra ny taratasy manendry azy ho Masoivoho honina sy hiasa eto Madagasikara tamin’ny Filohampirenena ny masoivohon’ny Repoblikan’i Corée Son Yong-ho io maraina io teny amin’ny Lapan’Iavoloha. Raha ny nambarany, mitohy ary hamafisina ny fiarahamiasa amin’i Madagasikara . Fotoana ihany koa hanantanterahana ireo fifanarahana nifanaovana ny roa tonta izao.