MATP : hamafisina ny fanamboaran-dalana any amin’ireo faritra mpamokatra

0

Nitohy ny tapany hariva teo ny fihaonan’ny Antenimierandoholona sy ireo mpikamban’ny governemanta. Minisitera 3 lehibe no nanao tatitra sy namelabetra ny tanjony amin’ity taona 2020 ity.  Raha tsy nivoana tamin’ny fanamboaran-dalana ny fanontaniana napetraky ny Loholona ho an’ny minisitry ny fanajariany ny tany sy ny asa vaventy, nifantoka tamin’ny Tanamasoandro ny resaka ho an’ny minisitra lefitra misahana ny toeram-ponenana sy ny tanana vaovao.