Mbola RAJAONAH : voaheloka 5 taona an-tranomaizina, miampy lamandy 27 lavitrisa Ariary

0

5 taona an-tranomaizina sazy mihatra, miampy lamandy 27 Miliara Ariary ireo no sazy azon’i Mbola RAJAONAH raha ny vokam-pitsarana nivoaka teo anivon’ny fitsarana heloka be vava teny amin’ny PAC androany maraina. Sazy mihantona kosa no azon’ireo voarohirohy niaraka taminy raha toa ka nahazo fahafahana madiodio ireo mpiasan’ny fadintseranana.