MEN : entana maro no nokasaina navoaka

0

Nisy fitaomana entana omaly maraina teny amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Raha ny fanavazan’ny solontenan’ny mpampianatra ao amin’ny FM2F, entam-panjakana kasain’ny tomponandraikitra ao amin’ny ministera ho avoaka ireo, saingy nosakanan’ireto fiombonambe ny mpiasan’ny fanabeazana ho an’ny fanazavana ireto. Fanaovana tantely afa-drakotra ny fananam-panjakana hoy izy ireo no kasain’ny tomponandraikitra atao.