Ministeran’ny Atitany : hirosoana ny fanadihadiana raha voamarina ireo tranga

0

Tsy maintsy hirosoana ny fanadihadiana raha toa ka voamarina tanteraka ny fisian’ireo kara-panondro mitovy laharana hoy ny minisitry ny Ati-tany androany. Fanahiniana entina hanakorontanana ny saim-bahoaka hoy ny teo anivon’ny ministera ny katsahin’ireo antoko politika sy mpanao politika sasany ankehitriny manoloana ny zava-nisy teto amintsika.