MMM: mila mahay maka lesona ny mpitondra

0

Namoaka fanambarana omaly tolakandro ny antoko Malagasy Miara miainga. Nasongadin’izy ireo tao anatin’izany ny alahelony manoloana ny famarotan’olona ao Lybie sy ny tsy fanajana zon’olombelona amin’ny raharaha Antsakabary ary ny toe-draharaha misy ao Zimbabwe manoloana ny fametrampialan’i Robert Mugabe. Manainga ny mpitondra haka lesona sy hitsinjo ny vahoaka ny antoko Malagasy Miara Miainga.