Mpamatsy vola vahiny : miray tsikombakomba amin’ny mpitondra?

0

Tontosa omaly maraina ny fampahafantarana ny tetikasa fanatsarana ny fahombiazan’ny fitantanan-draharaham-panjakana vatsian’ny banky iraisam-pirenena. Mitentina 40 tapitrisa dolara mandritra ny efa-taona ny famatsiambola avy amin’ny banky iraisam-pirenena amin’io tetikasa io. Mampanahy ny mpanarabaovao anefa ny fahasahian’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena miditra amin’ny fanampiana sy famatsiambola amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao.