Mpandraharaha tsy miankina : nihaona tamin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha

0

Tontosa androany teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fihaonana teo amin’ny Filoha Andry RAJOELINA notronin’ireo mpikambana avy eo anivon’ny governemanta niaraka tamin’ ireo mpandraharaha eo anivon’ny sehatra tsy miankina. Nibahan-toerana nandritra ny fihaonana ny tokony hanalefahana ny hetra tokony ho aloan’ireo mpandraharaha. Hapetrakin’ny fitondram-panjakana hamahana ny olana iainan’ny fandraharahana ankilany ny Plans Multisectoriel d’Urgence na ny Drafitra marolafy hiatrehana ny toekarena