Mpanohitra eto Madagasikara : Arirarira ny raharaha, hoy ny Filohan’ny antoko MMM

0

Arirarira ny resaka momba ny fanoherana eto Madagasikara, hoy  Hajo Andrianainarivelo raha nivahiny tao amin’ny Radio Tiakobe tao Lyon, Frantsa ny faran’ny herinandro teo. Tsy mazava ny paikady entin’ny eo anivon’ny fitondrana momba izay fanoherana izay. Efa neken’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ny lalàna momba ny fanoherana nefa izy ihany avy eo no milaza fa misy tsy feno ny lalàna. Tranga izay mampametram-panontaniana, hoy ny filohan’ny antoko Malagasy Miara-Miainga.