Mpiasan’ny Air Madagascar : manohana ny tolon’ny solombavambahoaka ihany koa

0

Nivoaka tamin’ny fahanginana ireo mpiasan’ny Air Madagascar nampiseho ny tsy fankasitrahany ny fitondrana ankehitriny sy ny fanaovana tsinontsinona ny orinasa. Nanao diabe niainga avy any amin’ny seranam-piaramanidina ireo mpiasa niaraka tamin’ny solontenan’ny solombavambahoaka ho an’ny fanovana ary nihazo ny kianjan’ny 13 Mai.