Nosy Be : lehilahy iray maty nihotsahan’ny tany, iray hafa tapa-tongotra

0

Trangam-piarahamonina avy any amin’ny faritra, lehilahy iray mpaka vato ao Darsalam Nosy Be no namoy ny ainy vokatry ny fihotsahan’ny tany ary iray hafa tapa-tongotra. Vokatr’io nakatona vonjimaika ny kariera fitrandrahana hisorohana ny loza miverimberina hoy ny tomponandraikitra.