Oniversiten’i Barikadimy : mitaky ny fisamborana an’i Fer Rond ny Triangle du Sud

0

Mitaky ny fisamborana an’i Fer Rond, tovolahy voarohirohy tamin’ny fahafatesana tovolahy iray manaraka ny sampam-piofanana Gestion des Ressources Humaines ao amin’ny oniversite Barikadimy Toamasina ny mpianatra mivondrona anatin’ny TRIANGLE DU SUD. Nisy androany ny hetsika nataon’izy ireo izay niafara tamin’ny fanakatonana ny birao sy ny toerampianarana rehetra mandra-pisamborana an’i Fer Rond.