« Or commercial » : tsy miantraika amin’ny sandam-bola Malagasy ny fananana azy

0

Or commercial fa tsy Or monétaire ilay volamena milanja 1T sy 300Kg voatahiry eo anivon’ny Banky Foiben’i Madsagasikara hatreto. Tsy  mipaka amin’ny sandam-bola sy ny toekarena ankapobeny ny tahiry « or commercial » io araky ny nambaran’ny mpahay toekarena. Dingana maro ankilany no afaka  atao ahafahana mamadika izany ho Or monétaire izany.