Papa François eto Madagasikara : noraisin’ny Filohan’ny Repoblika teny Iavoloha

0

Tontosa androany teny amin’ny lapan’Iavoloha ny fandraisana an’i Papa Ray Masina . Tamin’izany indrindra no nanamafisan’ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara ny fanamby sy ny toky nomeny , hampandroso an’i Madagasikara. Nizara 5 mazava kosa ny lahateny sy ny hafatra nomen’ny Papa androany. Ny mikasika ny fihavanana, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny fanapotehana ny tontolo iainana, ny fanomezana-danja ny fiarahamonim-pirenena ary farany ny fifanakalozan-kevitra amin’ny kristiana hafa finoana. Ho fintinina aminao ato anatin’ny fanadihadiana ny andinindin’izay.