« Pétrole Américain » : nidina hatramin’ny -37,63 dolara ny baril

0

Voalohan’ny eo amin’ny tantaran’ny famokarana sy fanjifana pétrole maneran-tany. Latsaka hatramin’ny -37,63 dolara, na mihiba -37,63 dolara ny anjifana ny baril ny pétrole Amerikanina. Tokony hampinina ny vidin-tsolika aty Madagasikara ny fidinan’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, hoy ny mpahay toekarena, saingy miankina tanteraka amin’ny fanjifana sy ny fifanaraha amin’ny mpamatsy solika izany. Hatreto, nijanona maritoerana tao anatin’ny volana maro ny vidin-tsolika eto amintsika.