Politika eto Madagasikara : maloto sy anjakan’ny kolikoly

0

Tsy politika entina manarina ny firenena no misy eto Madagasikara fa politika maloto entina hitazomana seza. Saika izay ny hevitra niombonan’ireo tanora vao hiditra eo amin’ny sehatra politika. Notolorana tamin’ny fomba ofisialy omaly ireo tanora mivondrona ao amin’ny andiany faha 4 ny Académie des Partis Politiques.