PRM : tsy maintsy ho vitaina alohan’ny 2023 ny orinasa famokarana simenitra ao Toamasina

0

Tsy maintsy ho vitaina alohan’ny taona 2023 ny orinasa famokarana simenitra ao Toamasina, hapetraka ny ozinina fanaovana siramamy ary hirosoana ny fanamboarana ny « Autoroute » mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ireo amin’ny ankapobeny no fampanantenana nomen’ny Filoha ny vahoaka nandritry ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny ampahany volaohany amin’ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina androany.