Raharaha Ampanihy : Azo samborina ilay loholona nitsabaka tamin’ny raharaham-pitsarana.

0

Mikasika ny raharaha Ampanihy nisamborana ny ben’ny tanàna tany an-toerana, nilaza ny sendikan’ny mpitsara fa azo atao ny misambotra ilay loholona nampiasa ny fahefany nitsabaka tamin’ny raharaham-pitsarana. Anjaran’ny mpitsara miandraikitra ny raharaha no manatanteraka izany. Namafisin’izy ireo ihany koa fa tsy andraikitry ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna no mitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana.