Raharaha Befandriana Avaratra : olona 5 naiditra am-ponja, 26 navotsotra

0

Olona 5 no naiditra am-ponja ary navotsotra ireo 26 hafa nanaovana fanadihadiana, izay ny valin’ny fitsarana manodidina ny famonoana polisy roa tao Antsakabary. Fanangonana olona tsy nahazoana alalana, famonoana olona ary fanakorontanana ny vesatra iampangana azy ireo. Tokony hisy ny fitoriana ny amin’ireo trano maherin’ny 500 may taorian’iny raharaham-pitsarana iny, hoy ny mpahay lalàna.