Raharaha Claudine Razaimamonjy :  Mampanaonao foana ny governemanta Malagasy.

0

Mampanaonao foana ny governemanta Malagasy ny fitazomana an-dramatoa Claudine Razaimamonjy eny amin’ny HJRA izay tsy azo arahi-maso raha tsy misy fahazoan-dalana manokana avy amin’ny hopitaly. Navoakan’ny governemanta tamin’ny fanambarana fa tsy azon’ny mpiasan’ny fitsarana mamita iraka atao ny manara-maso ireo voafonja manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly raha tsy mahazo fahazoan-dalana avy amin’ny minisitry ny fitsarana sy ny minisitry ny fahasalam-bahoaka.