Accueil Société Raharaha fikasihan-tanana tany Toamasina : niakatra fampanoavana omaly

Raharaha fikasihan-tanana tany Toamasina : niakatra fampanoavana omaly

0
Raharaha fikasihan-tanana tany Toamasina : niakatra fampanoavana omaly

Taorian’ny fifampiresahana teo anivon’ny roa tonta azo ambara fa niravona ilay raharaha mahakasika ny fikasian-tanana sy fandratrana nataona miaramila tamina sivily 62 taona tao amin’ny Fokontany Mangarivotra Avaratra. Tranga izay niseho ny marainan’ny zoma faha 17 Jolay lasa teo, io no nambaran’ny mpisolovavan’ilay mpitory taorian’ny fotoampitsarana omaly tany Toamasina.