Raharaha Houcine Arfa: mangataka fiarahamiasa amin’ny Frantsay ny fanjakana Malagasy

0

Mangataka fiarahamiasa amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy amin’ny fisamborana ilay teratany frantsay Houcine Arfa. Namoaka didy fisamborana iraisam-pirenena ny fanjakana malagasy ahafahana misambotra io teratany vahiny io. Fampiharana ny fifanarahana teo amin’ny firenena roa tonta nosonivina tamin’ny taona 1973 io firaha-miasa io raha ny fanazavana.