Raharaha QMM : tokony hafainganina ny valin’ny fanadihadiana hoy ireo olom-boafidy

0

Tsy mbola fantatra mandraka androany ny valin’ny fanadihadiana mahakasika ny nahafaty ireo trondro vokatry ny fahalotoan’ny rano ka tsy nahafan’ireo mpanjono niasa ao Taolagnaro ao, izay disadisa eo amin’ny vahoaka sy ny orinasa QMM hoy ireo olom-boafidy any an-toerana. Takian’izy ireo ny hijerevana indray ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa QMM mba tsy hampitaintaina ny vahoaka.