RAHARAHAM-PIRENENA : mila jerena manokana ny fitakian’ny mpianatra

0

Mila jerena manokana ny mahakasika ny famahana ny fitakiana samihafa eto amin’ny tany sy ny firenena toy ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatry ny anjerimanontolo. Izay no isany nasongadin’ny filohan’ny Antenimierampirenena nandritra ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany ho an’ity andrim-panjakana ity ankoatry ny fampahafantarana ny lahadinika 4 nampiantson’ny governemanta azy ireo.