RATSIFERANA Hugues sy ny namany : notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora

0

Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora i Hugues RATSIFERANA sy ny namany iray, Tantely izay voarohirohy tamin’ny famoahana ny fitaovam-panjakana tao amin’ny birao teny Ambohitsirohitra ny 27 janoary lasa teo. Izay no fanapahana navoakan’ny fampanoavana tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy tamin’ity androany ity.