Ravalomanana Marc : nanoso-potaka ny minisitry ny atitany

0

Nolavin’ny tale nasionalin’ny trano printim-pirenena ny filazan’ny kandida Marc Ravalomanana fa nisy taratasin-kara-panondro miisa 500.000 noteren’ny minisitry ny atitany ho tsy maintsy navoakany. Notsipahan’ny prefen’Antananarivo renivohitra ihany koa ny filazana fa manao tsindry amin’ny solontenam-panjakana eo ambany fiahiany ny minisitry ny atitany.