RAZAFINJATOVO Willy : nodimandry teo amin’ny faha-76 taonany

0

Very olo-manga ny tontolon’ny fiarovana, nodimandry teo amin’ny faha-76 taonany i Maître RAZAFINJATOVO Willy, fantatry ny maro amin’ny hoe Maître Olala. Raha ny angom-baovao, androany tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro no nindaosin’ny fahafatesana raha notsaboina teny amin’ny hopitaly manarapenitra Andohatapenaka ny tenany.