« Redevance d’entretien routier »: 140 miliara ariary tsy voaloa

0

Tomponandraikitra amin’ny fahapotehan’ny lalana eto Madagasikara ny mpamatsy solika araka ny nambaran’ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy. Mitentina hatramin’ny 140 miliara ariary ny RER na ny Redevance d’entretien routière tsy voalohan’izy ireo. Tsy mitombona ihany koa raha ny fanazavana ny filazana fa tsy mahazo tombony ny mpalatsy solika eto amintsika. Manoloana io, hifantoka amin’ny tombotsoan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny ny fijerena vahaolana mikasika ny fanjifana solika eto amintsika hoy ny eo anivon’ny fitondram-panjakana.