RN44 : efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana

0

Efa miverina amin’ny laoniny ankehitriny ny fampiasana ny lalampirenena faha-44 raha toa ka nisy fahatapahana izany, teo anelanelan’i Ranofotsy sy Ambohimena noho ny fisian’ny rotsak’orana nisesy ny Alahady sy Alatsinainy teo tany en-toerana. Taorian’ny fahatapahana, nandray fepetra  avy hatrany tamin’ny fanamboarana izany ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy.