RN44 : misy ny asa vonjy maika atao hampitohy ny fifamoivoizana

0

Na anatin’ny fotoanan’ny rotsak’orana aza, misy ireo fanamboaran-dalana vonjimaika atao amin’ny lalam-pirenena faha-44 iny, hampandeha hatrany ny fifamoivoizana. Ampahan-dalana isany ratsy indrindra ary ahitana fiara mihitsoka matetika amin’iny lalam-pirenena iny arak’izany no namboarina tato anatin’ny 2 andro.