Rocade d’Iarivo : notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany

0

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany ny Rocade d’Iarivo izay hanamaivana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Ny filoham-pirenena sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, ireo mpiaramiombon’antoka ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry no nanatanteraka izany teny Nanisana.