Rocade d’Iarivo : tokony hajaina ny lamina napetraka rehetra

0

Ho hentitra ny fampanaran-dalàna, hikajiana ny fotodrafitrasa « Rocaden’ Iarivo » araka ny nambaran’ny talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy eto Analamanga androany. Tsy azo atao arak’izany ny mivarotra amin’ny sisin’iny lalana iny. Misy ihany koa ny lamina apetraka ho an’ny fiara fitateram-bahoaka sy ireo fiara manaja ny hafainganam-pandeha rehefa mampiasa ny Rocade.