ROCADE Nord-Est / Est : andrasana ireo mponina hanao ny antotan-taratasy ho fanonerana azy

0

Miroso ny asa fanamboarana ny Rocade Avaratra Atsinanana sy Atsinanana. Mitohy manarak’izay ihany koa ny fanonerana ny mponina voakasiky ny tetikasa. Amin’ireo ampahan-tany 545 tsy mbola nandoavana ny onitra, mila fanohanana amin’ny fikirakirana ny antontan-taratasiny ireo tompona ampahan-tany 440. Izay no antony nametrahan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ny Guichet Unique eny Alasora, ho fanampiana azy ireo.