SACEM : Fanampiana mitentina 12 tapitrisa dolara

0

Nosoniavina teny amin’ny Birao foiben’ny CENI teny Alarobia ny fifanarahana teo amin’ny PNUD sy ny Governemanta Malagasy ary ny CENI amin’ny famatsiam-bola ny fikarakarana ny fifidianana amin’ny taona 2018. Vola mitentina 12 tapitrisa dolara avy amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena tafiditra ao anatin’izay tetikasa SACEM na Soutien Au Cycle Electoral de Madagascar.