Sambo mihaodihaody any Avaratra Atsinanana : mampiahiahy ny maro

0

Ahiana ny hiverenan’ilay sambo Flying Pavillon Panama hitatitra an-tsokosoko bolabolan’Andramena any amin’ny faritra Analanjirofo iny, raha ny fanazavana azo avy tamina fiarahamonim-pirenena any an-toerana. Sambo izay voalaza hatrany fa efa nitatitra an-tsokosoko bolabolan’Andramena nandritra ny andron’ny fifidianana lasa teo iny. Any amin’ny 50 km miala ny Sainte Marie no misy ity sambo ity omaly.