Sambo WAKASHIO rendrika : handefa fitaovana any Maorisy i Madagasikara

0

Handefa fitaovana hanampiana an’i Maorisy amin’ny fitantanana ny solika mavesatra very nandritra
ny faharendrehan’ny sambo MV Wakashio i Madagasikara. Fitaovana izay hanampy betsaka amin’ny
fitsohana ny solika mavesatra hiarovana ny mety ho fiantraikany amin’ny harena an-dranomasina.
Efa vonona ny fitaovana hoy ny teo aivon’ny OLEP, saingy misy ny fombafomba tsy maintsy arahana
mialohan’ny andefasana azy.