Saran-dalana 500 Ariary : misy fanararaotana ataon’ny mpitatitra, hoy ny mpanjifa

0

Tafahoatra ny fampiakarana saran-dalàna 500 Ariary ataon’ny Taxi-be eto an-drenivohitra raha ny fanazavan’ny olontsotra nanaovana fanadihadiana. Takian’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa hatrany arak’izany ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra sy ny fanajana ny bokin’andraikitry ny fitaterana.