Saritany vaovaon’i Madagasikara : ho fantatra amin’ny taona 2021

0

Ho fantatra amin’ny taona 2021 ny saritany vaovaon’i Madagasikara hahafahana mahafantatra ny filàna isaky ny faritra sy ny Kaominina, hanafainganana ny fampandrosoana. Io no vokatry ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny tetikasa CASEF sy ny Foibe taon-tsarintany Malagasy, izay nosoniavina androany.