Sehatry ny fanjifana : hamafisina ny fitakiana ny « Autorisation de Mise en Commercialisation »

0

Mitohy hatrany ny ezaka hanatsarana ny sehatry ny fanjifana sy ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa eto Madagasikara. Ankoatran’ny fanamafisana ny fitakiana ny Certificat de consommabilité, nivoaka omaly ny taratasy fampahatsiahivana ny mpamokatra sy ny mpanafatra ny fivarotana ny entana tsy nahazoana ny fahazoan-dalàna mivarotra na ny Autorisation de Mise en Commercialisation.