Sendikan’ny JIRAMA : miantso ny mpitondra hametraka politika mazava momba ny orinasa

0

Miantso ny fitondram-panjakana hanana finiavana ara-politika hanarina sy handray andraikitra ao anatin’ny fotoana fohy ny Sendikan’ny mpiasa eto Madagasikara eo anivon’ny orinasa JIRAMA. Ahiana ny hisian’ny korontana sy ny fipoahana ara-tsosialy hoy izy ireo, izay nanamafy fa tsy ny mpiara-miasa na ny olombelona no fototry ny olana eo anivon’ny orinasa JIRAMA.