SMM : nanatanteraka sit-in ny mpikambana

0

Nanantanteraka sit-in omaly ny mpikambana SMM manerana ny Nosy. Tsy fanekena ny fisian’ny tsindry sy teritery eo amin’ny asa eo anivon’ny fitsarana no antony nanaovan’izy ireo fitokonana. Nisy ny taratasy fanairana nalefan’izy ireo ho an’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina manoloana izay. Nanamafy ankilany izy ireo fa azo enjehina sy toriana ny loholona Riana Andriamandavy.