Solombavambahoaka 79 teny amin’ny Paon d’Or : anjaran’ny PAC sisa

0

Herintaona aty aoriana, tontosan’ny BIANCO avokoa ny fanadihadiana momba ny fisiana kolikoly na tsia nandritra ny fandaniana ireo lalàna fehizoro hifehy ny fifidianana teny Tsimbazaza ny faha-3 aprily taona 2018. Efa eny am-pelantanan’ny PAC na ny Pole Anti-Corruption ankehitriny ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny BIANCO tao anatin’izay herintaona izay.